Saika isan-kalina no ahenoana fanafihan-dahalo any amin’ireo kaominina maromaro , any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Miraviravy tanana tanteraka ireo mponina eo anatrehan’ireo dahalo am-polony maro, izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy « kalach » sy Mas 36.
Vao tsy ela tokoa, fa ny faran’ny herinandro lasa teo dia fanafihan-dahalo mahery vaika tamina tanana roa samy hafa no nitranga tany an-toerana. Ny sabotsy hariva lasa teo, lasibatry ny andian-dahalo miaraka amin’ny basy « Mas 36 » sy « Kalach », no nandravarava tao amin’ny tananan’Ambohimanandray, Ambohitsarantany, ao amin’ny kaominina Ambohimanarina Marovazaha. Araka ny fampitam-baovao avy tany an-toerana, dia omby 50 teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy. Teo anatrehan’ny hery tsy mitovy, dia tsy nisy sahy nivoaka ny mponina, hany ka nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy nandroaka ireo omby tamina vala maromaro tao an-tanana. Taorian’ny fanafihana vao afaka niantso vonjy ireo mponina. Nandray ny andraikiny avy hatrany ihany kosa tetsy andanin’izay ny solontenam-panjakana tany an-toerana, niezaka namonjy ireo mponina. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana no tonga ireo zandary sy ny miaramila miasa any amin’iny faritra iny ary nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Araka ny vaovao voaray dia azo teny am-pelan-tanan’ireo dahalo ny 40 tamin’ireo omby lasan’izy ireo, omaly alahady. Nisy tamin’ireo omby kosa no novonoin’ireo olon-dratsy teny am-pitsoahana. Fa ny omalin’io zava-nitranga tao Ambohimanandray io, dia niitrangana fanafihana ihany koa tao Andranomisa. Nahery vaika ny fanafihana tao an-toerana. Tonga nanampy ireo fokonolona sy nanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo fokonolona. Tsy ela dia tratra ireo dahalo ary nisy ny fifampitifirana. Votsotra ny omby ary nisy olon-dratsy no voalaza fa naratra saingy nentin’ireo namany nitsoaka.
Eo anatrehan’ny zava-misy dia manao antso avo amin’ny Fanjakana ny mponina mba hijery ny zavatra iainan’izy ireo any ambanivohitra any. Hita taratra ihany koa mantsy, fa tsy ampy mihitsy ireo mpitandro filaminana, na ny zandary izany na ny miaramila. Mazàna izy ireo no mbola manatanteraka fanarahan-dia any amina tanana lavitra any any no voaantso, fa misy fanafihana indray any amina tanana iray mifanao atsimo sy avaratra amin’ny toerana misy an’izy ireo. Hany ka manao izay tiany mihitsy hatao ireo olon-dratsy.
m.L