- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : “Mas 36” iray sarona, olona roa nalefa eny Tsiafahy

Anjozorobe : “Mas 36” iray sarona, olona roa nalefa eny Tsiafahy

Saron’ny zandary avy amin’ny borigadin’Anjozorobe, kaompania “Imerina Central” ny herinandro lasa teo ny basy “mas 36” iray, tao Ambodivala, Ambohibary Vohilena. Olona dimy no voarohirohy tamin’ity fitazomanana basy tsy ara-dalàna ity, ka ny roa tamin’ireo no nalefa eny Tsiafahy, ny telo kosa miandry ny fotoam-pitsaràna azy ao Antanimora. Raha ny fanazavana azo dia tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao no nahafantarana ny fisian’ny olona mitazona basy, izay marihina fa tsy azon’olon-tsotra entina. Nidina teny an-toerana taorian’ny fahazoan-dalàna ary nananteraka fisavàna ny zandary ka tamin’izany no nahatratrarana ity fitaovam-piadiana ity. Ity farany, araka ny loharanom-baovao, dia hampanofaina amin’ny jiolahy na dahalo, na entin’ireo olona ireo manantanteraka fanafihana mihitsy. Noraisim-potsiny tany Marovazaha, Bongatsara, Ambohimandroso ary Ankazongoaika ireto olona ireto, izay nanambara tao anatin’ny fanadihadiana azy ireo fa hoe mpividy fotsiny ihany. Mbola an-dalam-pikarohana ny tena loharano niavin’ity fitaovam-piadiana ity, araka izany, ireto mpitandro filaminana ireto. Natolotra avy hatrany ny Fampanoavana izy dimy lahy ireto, ka io nalefa any am-ponja vonjimaika io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser