- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Miaramila nitifitra nahafaty olona

Anjozorobe : Miaramila nitifitra nahafaty olona

Tamin’ny alahady faha-7 desambra 2014, lehilahy iray no fatatra fa maty tsy tra-drano noho ny tifitra nahazo azy teo amin’ny handriny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nivoaka tao amin’ny lohany aoriana ny bala ary niparitaka teo ambony tako-bilany ny  atidohany. Miaramila iray, kilasy faharoa miasa any amin’ny 107e Amboniakondro, antsoina hoe Andry R.  no nahavanona ny loza. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimirary, kominina io ihany, any amin’ny disitirik’Anjozorobe, no niseho ity fitifirana ity. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tamin’izay. Miasa eo an-tanàna ny andiana miaramila vitsivitsy. Trano fisakafoana no nisy ilay voatifitra ary ao ireo miaramila ireo matetika no misakafo. Mpiandry tsena fotsiny ilay voatifitra. Nanafatra anefa ny tompony fa tsy tokony hanome trosa izy. Na izany aza, namone ihany ilay maty. Ny vola kosa omena alohan’ny ahatongavan’ilay tena tompony. Toa tsy nahafaly ilay miaramila izany. Tsy vitan’ny tezitra izy, hoy ny vaovao, fa dia teo akaikin’ny varavarana no nanao maloto. Rehefa notenenina izy dia izao niarafa tamin’ny fitifirana izao ny raharaha. Taitra avokoa ny olona nahare ilay feom-basy ary samy nandeha nijery ny zava nisy. Mbola nandrohana ireo olona nahita ny fandehan-javatra ilay miaramila. Soa, hoy ny vaovao, fa nisy namany teo afaka nanakana azy. Nandray ny andraikiny ny fokonolona ka voasambotra ilay kilasy faharoa. Nampandrenesina ny lehibeny sy ny zandary avy any Ambatomanohina. Ny ampitso no tonga naka ity mpamono olona ity ireo mpitandro filaminana ireo. Nampakarina aty an-drenivohitra izy ary anio no voalaza fa hiatrika ny mpitsara mpanao famotorana.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser