- Publicité -
mardi, juin 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Miaramila voatafika, nahafaty olona tsy nahy

Anjozorobe : Miaramila voatafika, nahafaty olona tsy nahy

Nandray ny andraikiny avy hatrany ity mpitandro filaminana ity, raha sendra fifanolanana teo amin’ireo samy mpisotro, tao amin’ny trano fisotroana iray tao Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe. Nitambaran’ireo olona indray anefa izy ary voakitika tamin’izay ny basiny, izay nahavoatifitra olona tsy nahy, teny amin’ny manodidina. Namoy ny ainy ity farany. Zava-nitranga, ny sabotsy tolakandro teo tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Andranomalama, kaominina Ambohibary, distrikan’Anjozorobe. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny lehiben’ny zandary, tompon’andraikitry ny famotorana tany an-toerana dia handeha hanasaraka ireo roa lahy rafitra ady tao amin’ny trano epi-bar iray tao an-toerana ity miaramila iray ity. Tsy fantatra anefa izay niseho tamin’izay fotoana izay fa toa hoe lasa ilay mpanasaraka indray no nitambaran’ireo olona tao anatin’ilay trano fisotroana. Nandritra izany no nirefotra ny basy teny an-tanan’ilay miaramila ary nahavoa lehilahy hafa, nijery teny ivelany ny bala. Naratra mafy ity farany ary indrisy fa tsy tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana akory dia namoy ny ainy. Teo anatrehan’ny zava-nisy, izay efa saika nivadika korontana, rehefa nampandrenesina ihany koa ireo zandary avy amin’ny tobim-paritra manodidina dia niditra an-tsehatra. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana ilay mpitandro filaminana. Toraka izay ihany koa ireo lehilahy roa, nanao tambabe tamin’ity miaramila ity. « Mbola eto am-panaovana fanadihadiana mihitsy izahay, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatomanoina. Tsy mbola misy azo ambara firy aloha, mahakasika ny tena zava-nitranga fa hampitaina miandalana eo ihany ». Marihana fa taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy namoy ny ainy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici