Mpampianatra iray, niaraka tamin’ny vady aman-janany no niharan-doza tao amin’ny fokontany Antambao/Amparihy, kaominina Ambongamarina, distrikan’Anjozorobe, ny herinandro lasa teo. Nivarina an-kady ny kodiaran-droa nentin’izy ireo, ary namoy ny ainy tamin’izay ilay ramatoa. Raha ny fantatra dia nisy fahasimbana tampoka ny hisatr’ilay môtô kanefa ny lalana midina no sady ratsy dia ratsy. Tsy tana intsony araka izany ilay fitaovana ary namantana tany an-kady. Ny mponina teny an-toerana nahita ny loza ny niezaka namonjy azy roa, saingy voalaza fa teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana no maty ilay ramatoa, noho ny ratra mafy nahazo azy. Rangahy kosa dia tratry ny ratra madinika ary tsy dia naninona loatra.
Noho ny haratsin-dalana dia saika kodiaran-droa, na io bisikleta na io môtô no tena fampiasan’ireo olona mivezivezy any ambanivohitra, indrindra fa any amin’iny distrikan’Anjozorobe. Ilaina tena ilaina ihany koa itony fitaovana itony rehefa misy zavatra vonjena maika, toy ny nahazo ity mpampianatra sy ny vady aman-janany ity, izay nikasa hamonjy toeram-pitsaboana ao an-drenivohitry ny distrika kanefa dia izao niharan-doza izao. Ny zandary etsy andanin’izay, miantso sy manentana hatrany fa tsy azo atao ny mitondra ankizy sy vehivavy bevohoka amin’ny môtô, kanefa tsy afa-manoatra ireo mponina any ambanivohitra, ny toerana tsy misy fiara mandalo ary tsy tongan’ny fiara akory noho ny haratsin’ny lalana, indrindra fa rehefa misy orana. Handeha tongotra indray, ny toerana lavitra, ny zavatra maika. Angamba izao no fotoana tokony hiverenen’ireo tompon’andraikitram-panjakana isan-tsokajiny mijery indray ity distrika ity. Efa mba nilamindamina mantsy ny fandriampahelamana any an-toerana fa ny lalana indray hatreto, na ny lalam-pirenena na ireo lalana kaominaly, no mampidradradra ny moana …
m.L