- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 24, 2024
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpaka an-keriny raindahiny, maty voatifitry ny zandary

Anjozorobe : Mpaka an-keriny raindahiny, maty voatifitry ny zandary

Ing. Beary, maty tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny.

Beary. Anaran-jiolahy nampihorohoro iny tapany andrefan’ny distrikan’Anjozorobe iny, tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny. Omaly dia nifanehatra indray tamin’ny zandary izy sy ny ekipany. Maty ary tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny izany olon-dratsy izany. Eo am-panaovana hazalambo ireo namany kosa ireo mpitandro filaminana.

Mpamerin-keloka. Nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa tsy nisy tsy nikolay tamin’ny asa ratsy nataon’ity Beary sy ny ekipany ity, raha tany Anjozorobe, indrindra fa ireo kaominina amin’ny tapany andrefana, toa an’Ambohibary Vohilena, Antanetibe, Ambatomanoina. Fakàna an-keriny, fanafihana mitam-piadiana, fangalàna vola amin’ireo lasibatra, ireo no tena kapaokany. Vao ny faramparan’ny volana jolay teo izy sy ny ekipany no naka an-keriny tovovavy iray 17 taona, tao Ambohibary Vohilena. Vola manodidina ny telo tapitrisa ariary no notakiany tamin’ny fianakavian’ity ankizivavy ity. Ny faran’ny volana janoary lasa teo ihany koa, tratra am-bodiomby, nikasa haka an-keriny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany ranamana. Voasambotry ny zandary ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Nadoboka am-ponja vonjimaika, telo herinandro. Votsotra taorian’ny fitsaràna azy, rehefa nahazo sazy dimy taona an-tranomaizina, sazy mihantona. Taorian’io dia niverina nampihorohoro ny mponina indray, ary io nahavita fakàna an-keriny tany Ambohibary io.

Tsy mikely soroka. Na dia izany aza anefa ny zava-nisy, tsy nikely soroka ireo zandary, nanao ny fikarohana sy ny hazalambo azy indray, rehefa voamarin’ireo fokonolona sy ireo lasibatra fa tena ilay Beary, vao avy nivoaka ny fonja no tonga nampitondra faisana azy ireo. Ny alatsinainy teo, nisy ny fanomezam-baovao voarain’ny teo anivon’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay tsiahivina fa misahana iny distrikan’Anjozorobe iny. Voalaza tamin’izany fa tsikaritra mihaodihaody amin’ny toerana iray ao Ambohimirary ity jiolahy rain-dahiny ity. Nampidinina ifotony avy hatrany ny zandary maromaro, notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambatomanoina. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Amparihilava, fokontany Manakana Vohitraivo, kaominina Ambohimirary, distrikan’Anjozorobe, no nifankahita ny roa tonta. Raikitra ny fifandonana. Tifitra variraraka avy hatrany mantsy no nataon’ireto andian’olon-dratsy tamin’ireto mpitandro filaminana. Tetsy andanin’izay, voatery nampiasa ny fahaiza-manaony sy ny fitaovam-piadiana teny an-tanany ihany koa ireto farany. Vokany, voan’ny bala ary lavo sy tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny ny lehiben’ireto jiolahy : ingahy Beary. Nanao tari-dositra sy nitsoaka matanjaka kosa, vokatr’izay ireo namany roa lahy. Hatramin’ny omaly dia mbola mitohy ny hazalambo azy ireto any an-toerana.

Mena. Marihina fa anisan’ny  faritra mena amin’ny resaka fakàna an-keriny sy asan-dahalo iny distrika iray, ao avaratr’Antananarivo iny. Nihena betsaka anefa izay tranga izay, tao anatin’ny herintaona izay. Etsy andanin’izay ihany koa, efa maro tamin’ireo jiolahy mpamerin-keloka sy raindahiny no maty voatifitra, rehefa sahy nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana. Vao ny omalin’ny nahafatesan’i Beary ity dia efa nisy telo ihany koa no maty voatifitra, tao amin’ny kaominina Mangamila : Rakapôraly, Lemainty ary Lova. Azo teny am-pelatanan’izy ireo ny fitaovam-piadiana maromaro sy ody gasy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici