Tsy mamela mahazo ! Taorian’ny fisesisesin’ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, dia fantatra fa nisy ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Imerina Central, hamongorana sy hikarohana ireo mpanao ratsy. Vokany, nisy telo tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra tao anatin’ny fifandonana ary maromaro kosa ireo voasambotra.
Nahitàm-bokany hatreto aloha ity hetsika, nataon’ny teo anivon’ny zandary ity, izay efa nanomboka ny 25 septambra lasa teo. Toerana telo tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, izay fantatra fa isan’ireo faritra nisian’izay fakàna an-keriny izay no nitrangan’ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo, ny andron’ny zoma sy ny marainan’ny sabotsy lasa teo. Tao Ampetsapetsa, kaominina Mangamila, tao Andranonahoatra, kaominina Marovazaha ary ny tao Besofina, kaominina Betatao. Tao anatin’izay fifandonana mahery vaika izay no fantatra fa nahalavo ireto olon-dratsy ireto. Dahalo mpaka an-keriny, izay isan’ireo tompon’antoka tamin’ireo fakàna an-keriny nisesisesy tany an-toerana, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny hoe ireo olona fito lasa tao Miakadaza, kaominina Betatao ary ireo olona efatra nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ny kaominina Amparatanjona, ny voalondohan’ny volana septambra lasa teo.
Ankoatra ireto maty sy tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny ireto dia nambaran’ny vaovao avy eo anivon’ny zandary ihany koa fa nisy olona enina efa voasambotra. Izy ireto indray, araka ny vaovao azo hatrany, dia voasokajy ho isan’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpaka an-keriny. Nanampy azy ireo tamin’ny fampiantranoana, famatsiana sakafo sy fitaovam-piadiana. Nisy tamin’ireo voasambotra ireto ihany koa anisan’ny nikonokonona fakàna an-keriny sarintsariny, (tranga tao Kamanja, kaominina Anjozorobe) entina hanararaotana olona sy hangalàna vola any aminy, noho ny resaka lonilony ara-pianakaviana.
Tao anatin’izany hetsika nataon’ny zandary izany ihany koa no fantatra fa nangejana ireo basy isan-karazany sy fitaovam-piadiana maro samihafa ary karazan’ ody gasy teny am-pelan-tanan’ireo jiolahy fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena moa fa tsy hilefitra izy ireo amin’ireo mpanao ratsy, mba hametrahana fandriam-pahalemana maharitra any amin’iny distrika iny. Ny mponina rahateo efa mihorohoro fatratra ny amin’ny afitsok’ireto dahalo ireto. Marihina fa mbola tsy an-kijanona ity hetsika ity any an-toerana ary efa mandeha ihany koa ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy tafatsoaka sy ireo namany izay mbola misitrika any ho any.
m.L