Mass 36 sy bala 14 mifandraika amin’izany no tao anaty sakosy nentin’ity rangahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana
Jiolahy raindahiny no tratra tany Anjozorobe, ny 15 febroary lasa teo. Olona tsara sitrapo eny an-toerana no nampahafantatra ny zandary fa misy olona mitady mpividy basy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ka tonga teny ary nanao ny vela-pandrika ny zandary. Mahana avy hatrany ilay lehilahy ka nitsoaka raha vao nahita ny zandary handeha hisambotra azy. Natsipiny avy hatrany ilay sakaosy nisy ilay fitaovam-piadiana ary tsy hita intsony izay nalehany. Tsy maintsy natao moa ny famotorana ka tratra ihany ilay jiolahy telo andro taty aoriana. Efa nigatra moa ity lehilahy ity amin’ny resaka fivarotana fitaovam-piadiana ary efa nivoaka avy namita ny saziny izy izao tratra izao indray. Marihina moa fa tena karazana basy maherivaika tokoa ireny Mass 36 ireny, satria ny miaramila no tena mampiasa azy ireny. Eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao mba hahafantarana marina ny hoe taiza no nahazoany ity basy ity. Raha ny vaovao azo farany dia dahalo any amin’iny ambanivohitra Anjozorobe iny no mividy azy itony ka hanaovan’izy ireo ny fanafihana, toy ny halatra omby. Mbola anentanan’ireo manam-pahefana ihany ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona mba hampilaza amin’izy ireo raha vao misy olona manao fihetsika hafahafa.
ALEM