- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpampianatra misotro ronono maty notifirin’ny dahalo

Anjozorobe : Mpampianatra misotro ronono maty notifirin’ny dahalo

Ny eo maty, ny eo manohy ihany ! Nitrangana fanafihan-dahalo narahana vonon’olona tao amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Ambalavato, fokontany Bongatsara, kaominina Ambongamarina distrika Anjozorobe, ny alin’ny talata lasa teo. Mpanabe efa misotro ronono iray no lasibatra. Maty tsy tra-drano notifirin’ireto olon-dratsy.

Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo no tonga teo an-tokontanin’ity mpampianatra ity ireto andian-dahalo ireto. Fitolahy izy ireo niaraka tamin’ny basy sy zava-maranitra, raha ny angom-baovao azo. Somary mitokatokana moa ity trano ity ka mora tamin’ireo olon-dratsy no nanao ny asa ratsy. Tamin’io fotoana io dia nitaky ny hivoahan’ilay mpampianatra avy hatrany avy tao an-trano ireo olon-dratsy ary nandrahona ny hanomezana azy ireo vola. Nandà ny fisian’izany anefa ny tompon-trano no sady niantso vonjy tamin’ireo miaramila avy eny Bongatsara ihany. Ny fahenoana izay antso izay no vao mainka naharomotra an’ireto jiolahy ary niezahan’izy ireo nihanika ny trano ary nanaovana amboletra niditra. « Natsipin’izy ireo avy any am-bavaravarakely i ramose ary nitontona tamin’ny tany. Naratra mafy vokatr’izay izy » raha ny vaovao hatrany. Mbola nanohy ny fandrahonana ihany ireo olon-dratsy ary nilaza mihitsy fa ho alain’izy ireo an-keriny ity mpampianatra ity raha tsy manome azy ny vola takiany. Tamin’io fotoana io moa, tsy nisy afa-tsy vola, izay manodidina ny valo alina sy iray hetsy ariary tao an-trano ary lasan’ireo olon-dratsy. Tetsy andanin’izay, tamin’ny fotoana saika nitondran’ireo olon-dratsy ity mpampianatra ity no tonga ireo miaramila, izay nanao tifi-danitra avy hatrany, raha mbola tsy tonga tsara teo amin’ilay toerana akory. Ny fahenoana izany sy fahita ireto mpitandro filaminana tonga avy any no nampiakatra ny hatezeran’izy fitolahy. Hany ka tsy nisalasala avy hatrany izy ireo nitifitra ilay rangahy lehibe mpanabe. Voa teo amin’ny lamosiny ity farany, izay nitarika ny fahafatesany teo no eo. Nitsoaka toy ny tsy teo moa ireo olon-dratsy taorin’izay. Mbola rafitra nanenjika kosa ireo miaramila. Marihana, raha ny vaovao azo dia ireto no miandraikitra ny fiambenana izany tanàna izany. Efa nanokatra ny fanadihadiana ihany koa moa ny teo anivon’ny zandary, hikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici