- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpanao kidnapping hikoizana, maty voatifitra

Anjozorobe : Mpanao kidnapping hikoizana, maty voatifitra

Efa in-droa nigadra raha ity olon-dratsy ity, ny taona 2020 sy ny 17 martsa lasa teo. Tamin’ity farany moa dia nahazo fahafahana vonjimaika ingahirainy. Izany rehetra izany dia noho ny resaka halatr’omby sy fitazomana olona an-keriny ary fakàna an-keriny. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy ny fonja intsony ny nandray azy …

Jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe « Mahita » no maty voatifitry ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central omaly maraina, teo anelanelan’i Merinavaratra sy Andranovelona, izay samy ao amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo, distrika Anjozorobe avokoa. Araka ny tatitra azo dia handeha hisambotra ireo namany sy mpiray fikambanana aminy ity farany no voasakan’ireto farany ireo zandary. Raikitra teo ny fifampitifirana. Anisan’ny lavo tamin’izany ity jiolahy ity, rehefa niezaka nanararaotra ny fifanjevoana handosirana. Efa nisy ihany ny fampitandremana natao saingy nanohy ny diany ny anao lahy ka voatery nitifitra azy ireo mpitandro filaminana. Maty tsy tra-drano vokatr’izay Mahita.

Ny zava-nisy. Fianakaviana iray, avy Besalaka, fokontany Ambohijavona, kaominina Antanetibe Anativolo, no nahazo fandrohanana ho faty tamin’ny alalan’ny hafatra fohy sy antso tamin’ny finday, ny herinandro lasa teo. Nilaza ireo mpandrahona fa raha tsy manome vola azy izany fianakaviana izany dia ho avy izy ireo haka an-keriny sy hamono. Vola manodidina ny 5 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy, ary misy vodiondrim-barotra iray tapitrisa ariary. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zanday ireo lasibatra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ary nidina tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niandraikitra ny fanadihadiana mihitsy aza ny manamboninahitra iray teo anivon’ny vondron-tobim-paritra « IC ». Tamin’io fotoana io, rehefa nahazo angom-baovao isan-karazany ireo mpitandro filaminana dia voasambotra  ny olona iray fantatra amin’ny anarana  hoe Mahita, izay monina ao Beronono. Voalaza fa « mpimasy »mahay ody bala rangahy ity ary tamin’ny fotoana nisamborana azy dia mbola nahitàna ranon-javatra hafahafa tany aminy. Rehefa natao ny fakàna am-bavany dia fantatra tokoa fa ity farany , niaraka tamin’ireo namany, no tompon’antoka tamin’io fandrahonana io. Nanaiky ny hiara-hiasa tamin’ireo zandary i Mahita, hanoro ny misy ireo namany ao Amboara. Teny an-dalana anefa io niharan’ny fanakanan-dalana io ireo zandary, ary izao nitarika tamin’ny fahafatesan’ity olon-dratsy. Mbola mitohy hatrany kosa moa ny fanadihadiana, hikarohana ireo mpiray tambazotra azy, ataon’ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici