- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpiambina tanana iray maty novonoin’ny dahalo

Anjozorobe : Mpiambina tanana iray maty novonoin’ny dahalo

Mandry tsy lavo loha tanteraka ireo mponina any amin’ireo tanana ambanivohitra any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny noho ny afitsok’ireo dahalo. Tsy vitan’ny hoe mangalatr’omby fotsiny mantsy ireto farany fa tena mamono olona mihitsy. Toy ny nahazo ity mpikambana iray ao amin’ny Zamami, na irony karazana andrimasom-pokonolona mpiambina tanana, ao amin’ny kaominina Androvakely. Nokapakain’ireo dahalo tamin’ny zava-maranitra mantsy ity lehilahy ity ary notifirin’izy ireo ho faty nony avy eo. Ny alahady alina lasa teo no nitrangan’izany tao amin’io tanana iray, raha tonga nanafika tao ny dahalo am-polony nirongo fiadiana, toy ny basy sy zava-maranitra isan-karazany. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia manodidina ny tamin’ny sivy ora alina teo ho eo ireo andian’olon-dratsy no niditra ny tanana sady nanapoaka basy. Sendra ireo mpiambina tanana ireto izy ireo tamin’io fotoana io ary raikitra ny fifandonana. Hery tsy mitovy anefa no nenti-niady ka io lavon’izy ireo ary mbola novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io ilay mpiandry tanana iray. Raha ny fantatra hatrany dia omby aman-jatony no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana taorian’io fanafihana io ary tonga tany an-toerana sy nandray an-tanana ny raharaha ary ny fanarahan-dia ireto andian-dahalo ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici