Nandriaka ny rà tao an-tampon-tanan’Anjozorobe tao, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Lehilahy iray, nitondra moto handeha hody no voahitsaky ny fiarabe iray, rehefa nifatratra tany ambanin’ity farany ny kodiaran-droa nentiny, teo Ambodimanga. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso tany an-toerana dia hoe somary nandeha mafy ity mpitondra môtô ity. Ny lalana rahateo fidinana kanefa misy fiolanana. Tamin’izay fotoana izay no nipoitra avy any ilay fiarabe nifanena taminy. Mety tratry ny tampoka tamin’izay ny roa tonta ka tsy nafehy intsony ny familiana ary dia izao niafara tamin’ny loza mahatsiravina izao. Niezaka avy hatrany ireo fokonolona nitondra ity farany tany amin’ny hôpitaly. Nanao izay rehetra namonjena azy ireo mpitsabo, saingy indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Tonga nijery ny zava-nisy moa ny pôlisy tao an-toerana. Izy ireo ihany koa ny nisahana ny fanadihadiana ary nitondra ilay mpamilin’ny fiarabe tany amin’ny kaomisaria, ho amin’ny famotorana.
m.L