- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpividy vato nalain’ny dahalo an-keriny

Anjozorobe : Mpividy vato nalain’ny dahalo an-keriny

Ny kaominin’ny Beronono, distrika Anjozorobe, saika hanjakan’ny asan-dahalo mahery vaika nifanesisesy.

Lehilahy iray, saika hividy vato tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny no lasibatry ny fakana an-keriny nataon’ny olon-dratsy, ny alatsinainy teo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana.

Ny alin’ny alatsinainy ny Paka teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nahazo antso ireo zandary avy ao zana-tobim-paritra Beronono ny mahakasika ity fakana takalonaina nitranga tao amin’ny tanànan’Andranofasika, fokontany Ambohitsitaitaika. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambatomanoina, izay misahana izany faritra izany dia jiolahy niisa teo amin’ny telolahy teo ho eo, nirongo fitaovam-piadiana: zava-maranitra sy basy, no nanafika io tanana voalaza etsy ambony io. Olona izay tonga hividy vato tany amin’izany toerana izany no lasibatr’izy ireo tamin’io fotoana io. Tsy nikasika ny vola nentin’ity lehilahy ity ireo olo -dratsy fa ny vata-tenany no nentin’izy an-keriny sy nokasain’izy ireo ho sandaina vola. Tsy niandry ela ny fandraisana andraikitra teo amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana entina manavotra ity olona teny am-pelan-tanan’ny dahalo ity. Zandary maromaro avy any Beronono, niaraka tamin’ny miaramila avy ao Ambohitsitaitaika no indray nanao ny fanarahan-dia sy hanavotra izany olona izany. Raha ny vaovao azo hatrany dia vetivety dia nahatratra ireto olo -dratsy ireo mpitandro filaminana. Nisy mihitsy aza ny fifandonana teo amin’ny roa tonta satria tsy nanaiky mora foana ny handefasana ny haza teo am-pelantanany ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ary nitatatata tao anaty kirihitra tao ny basy. Farany, resy tosika ireto jiolahy ary namotsotra ilay lehilahy ihany. Avotra soa aman-tsara araka izany ity farany ary efa nihazo ny tanana. Tetsy andanin’izay kosa dia fantatra fa nisy iray tamin’ireo mpaka an-keriny no voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana ary maty tao anaty fifanjevoana. Nanao tari-dositra, nitsoaka kosa ireo namany hafa, izay mbola hifanenjehana hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Mbola mitohy araka izany ny savahao sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Marihana fa tsy nahavita izay nokasain’izy ireo hatao ireto jiolahy ary tsy nahazo n’inona n’inona tany amin’ity mpividy vato ity, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici