Faritra mena ! Izay no azo nilazàna iny distrikan’Anjozorobe iny. Tsapa ho nisy fiovàna tanteraka anefa izany, tato anatin’ny efa-bolana. Fotoana nandraisan’ny Kp Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, ny kaomandin’ny Vondrontobim-paritry ny zandary « Imerina Central », izay mifehy izany distrika izany.
Omaly dia nisy ny tafa nataon’ity manamboninahitra ity tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny biraony tetsy Ankadilalana, nanaovany jery todika izay efa-bolana nandraisany ny andraikitra izay. « Distrika isan’ny nanahirana kanefa tsy nikelezana aina. Nisy mihitsy ny fepetra noraisina manokana, izay tonga hatramin’ny fampitomboana ny isan’ireo olombelona eny an-kianja mihitsy aza, mba hampiverina amin’ny laoniny ny filaminana », hoy izy. Maromaro ihany tokoa ireo tranga tsy fandriam-pahalemana tany amin’izany distrika izany, indrindra fa tao anatin’ireo volana voalohany nandraisany ny fibaikona. Niha-nihena tsikelikely anefa izany taty aoriana. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny tranga halatra omby, izay nahitàna am-polony mahery tao anatin’ny roa volana (ny septambra sy oktobra) saingy nihena ho tranga iray sisa nandritra ity volana desambra ity. Toraka izany ihany koa ny resaka fakàna an-keriny, izay saika nahenoana tranga foana teo aloha saingy nangina tanteraka tato anatin’ny roa volana izay.
Ezaka.
Etsy andanin’izay dia anisan’ny ady nimasoana sy himasoan’ny eo anivon’ny vondrontobim-paritra « IC », any amin’iny distrika iny, sy any amin’ireo distrika roa hafa eo andraikiny (Andramasina sy Manjakandriana), ny ady amin’ireo trafika isan-karazany : fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ny hazo sarobidy, ny ady amin’ny zava-mahadomelina, na ny rongony na ny toaka voarara sy ireo maro samihafa. Efa maromaro ihany ireo sarona sy tra-tehaka, nandritra ny fisavàna tamin’ireo lalam-pirenena. Ary tao anatin’ireo tranga rehetra ireo dia efa nahatratra an-jatony latsaka (96) ny isan’ireo olona voasambotra. Ny 81 tamin’izany no nadoboka am-ponja vonjimaika. Nisy tao anatin’ireto farany ireto no tompon’andraikitri-panjakana, izay voarohirohy tamin’ny resaka famotsiana omby halatra. Dahalo telo sy mpaka an-keriny roa kosa no maty voatifitra. « Mbola betsaka ny ezaka hatao, indrindra fa amin’ny famerenana sy ny fitazomana ny tany mba handry fahalemana. Tsy adidinay irery anefa izany, fa adidintsika miaraka. Koa mbola miantso anareo vahoaka, hanampy ny mpitandro filaminana fa ianareo no sofinay sy masonay any am-potony any », hoy hatrany ity manamboninahitra ity.
m.L