- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Olona telo nataon’ny dahalo takalonaina

Anjozorobe : Olona telo nataon’ny dahalo takalonaina

Nitrangana fanafihan-dahalo niampy fakàna takalonaina indray tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny alahady alina lasa teo. Dahalo teo amin’ny enina teo, samy nirongo basim-borona no tonga nanafika ny tananan’Andrainikatra, ao amin’ny fokontany Anosiranovelona, ao amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo, ao amin’ny distrika Anjozorobe. Omby miisa 24 no lasan’ireto olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io. Tsy vitan’ny omby anefa fa mbola nisy telo lahy teo an-tanàna nentin’ireto malaso ireto an-keriny, nataony takalonaina. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity fanafihan-dahalo tany an-toerana ity, raha ny fampitam-baovao azo, tsy nisy ihany koa ny naratra. Na izany aza, tsy nianona fotsiny tamin’ny omby nangalariny ireto olon-dratsy ireto. Ho fanankanana ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona dia nisy olona telo tao amin’ny tokantrano notafihan’izy ireo no nentin’izy ireo an-keriny niaraka taminy. Raha ny fantatra hatrany dia navotsotr’ireto dahalo izy telo lahy, rehefa  lasa lavidavitry ny tanàna izy ireo. Tsy nisy naninona ary tafaverina soa aman-tsara tao an-tanàna ihany. Zandary maromaro avy ao amin’ny borigadin’Ambatomanohina sy avy amin’ny “poste avancé” avy ao Antanetibe Anativolo, niaraka tamin’ny fokonolona no rafitra nanara-dia ireto olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici