- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Rangahy marary saina hita faty tao anaty mololo

Anjozorobe : Rangahy marary saina hita faty tao anaty mololo

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona any ho any no hita faty tao anaty mololo tany amin’iny faritra Mangamila, Anjozorobe iny, omaly maraina. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa notadiavina efa andro vitsivitsy talohan’io nahitana azy io ity olona ity, izay marihana raha ny vaovao azo fa somary manana aretin-tsaina. Olona sendra nankeny an-tanimbary ary nisava tao anaty mololo no nahita vatan’olona, efa tsy nisy aina intsony. Nantsoina avy hatrany moa teo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, izay tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny zava-nisy. Tamin’ny fitsirihan’ireo tompon’andraikitra amin’izao no nahafantarana fa namoy ny ainy tamin’ny fomba voajanahary izy. Na io sempotra na ny hatsiaka sy ny hanohanana. Iaraha-mahalala rahateo ny ora-mikija izay nirotsaka nandritra iny faran’ny herinandro iny, tamin’ireo faritra maromaro teto an-drenivohitra sy ny manodidina azy. Ankevitry ny saika hitady fialofana angamba ny tenany tamin’io fotoana io, rehefa avy nivenjivenjy tsy nahita ny lalan-kodiana. Tao anatin’ity mololo ity araka ny fihevitry ny olona no mety hany hitany izany ka dia nisitraka tao izy. Indrisy anefa fa tsy tafavoaka tao intsony ary dia io izy vatana mangatsiaka io sisa no hitan’ny havany. Na izany na tsy izany dia efa nandray an-tanana ity raharaha ity, ireo mpitandro filaminana any amin’iny faritra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici