- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Rangahy maty nodomina “taxi-moto”

Anjozorobe : Rangahy maty nodomina “taxi-moto”

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy tao anatina lozam-pifamoivoizana omaly tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Môtô roa no nifandona tamin’izany.

Tsena ny andro omaly tany an-tampon-tanan’Anjozorobe. Fanaon’ireo olona avy any ambanivohitra no miakatra ao an-tampon-tanana araka izany, mamonjy izany tsena izany. Anisan’izany ireto mpivady, izay niaraka teny ambony kodiaran-droa. Indrisy anefa, fa tsy tafaverina intsony tany amin’ny tanana nisy azy ity raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny vadiny. Marihana, fa nitondra kodiaran-droa izy ireo ary teny an-dalana, teo amin’ny fokontany Ambohimijery, kaominina Ambongamarina izy ireo no niharan-doza. Somary tery ny lalana ary misy fiolanana. Izany hoe tsy mifankatazana mihitsy ireo izy hifanena. Tamin’io fotoana io anefa, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, no nisy taxi-moto iray nirafarafa avy any, tsy nahita mihitsy azy mivady ireto. Handeha hianavaratra haka olona any an-toerana izy io, raha ny fantatra ary somary nandeha mafy. Ireto mpivady ihany koa, tsy nanam-po velively ny fiavian’ilay môtô avy any. Tsy tana intsony araka izany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta; izay mafy dia mafy tokoa. Raha ny vaovao hatrany dia samy naratra na ilay tovolahy nitondra ilay taxi-moto nandona na ireo olona roa voadona. Ilay rangahy niaraka tamin’ny vadiny kosa no voalaza fa tena voa mafy, satria dia nahitana fahavakisana tao amin’ny lohany. Nentina niakatra, namonjy toeram-pitsaboana tao Anjozorobe araka izany ireto naratra ireto. Ilay tena voa mafy kosa no tsy maintsy nentina niakatra taty an-dRenivohitra noho ny haben’ny fahavoazana nihatra taminy. Indrisy anefa, fa vao nigadona teto izy dia namoy ny ainy. Nidina tany an-toerana nanao ny fizahana ifotony moa ireo zandary tompom-paritany any an-toerana. Efa notazonina rahateo ilay tovolahy nandona, saingy aorian’ny fitsaboana azy vao azo hadihadiana hoy  ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici