- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Rangahy nentina môtô maty voahitsaky ny kamiao

Anjozorobe : Rangahy nentina môtô maty voahitsaky ny kamiao

Nandriaka indray ny rà tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, noho ny resaka lozam-pifamoivoizana. Lehilahy lehibe iray, 68 taona, nentina tamin’ny môtô Yamaha AG 100 no maty tsy tra-drano rehefa voahitsaky ny fiarabe iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohinome, fokontany Mahalasitra, kaominina Betatao. Ny alakamisy antoandro teo no nitranga ity loza mahatsiravina ity tamin’ny lalam-pirenena faha-50, PK47 araka ny tatitry ny zandary. Nanao taingin-droa ity kodiaran-droa ity izay nentina tovolahy iray 21 taona. Azo heverina fa irony karazana taxi-môtô irony ity niharan-doza ity. Any amin’iny tapany avaratry ny renivohitra ity tokoa mantsy dia tsy misy afa-tsy izay no hany fitateram-bahoaka misy any an-toerana, ankoatra ny kamiao sy ny sarety, noho ny haratsin’ny lalana, indrindra fa amin’izao fahavaratra izao. Tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io dia fidinam-be ny lalana no sady malama. Niezaka nisongona fiarabe teo alohany ity kodiaran-droa ity, kanjo nisolifatra ary tsy tafasongona fa tafakasoka tamin’ilay fiara. Nianjera vokatr’izany ity rangahy lehibe nentiny, ary avy hatrany dia notsenain’ny kodiarana aorian’ilay kamiao. Voahitsaka ary namoy ny ainy teo ho no eo ihany. Naratra kosa ilay tovolahy nitondra ity môtô ity. Tonga avy hatrany tany an-toerana moa, niaraka tamin’ny mpitsabo ny zandary avy eo anivon’ny borigadin’Anjozorobe, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici