- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Sefo fokontany sy olona iray, maty voatifitry ny dahalo

Anjozorobe : Sefo fokontany sy olona iray, maty voatifitry ny dahalo

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Ampanataovana, fokontany Beseranana, distrikan’Anjozorobe, ny alarobia hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Dahalo efatra mirongo basim-borona no niditra ny tanana. Nirefodrefotra ny basy raha vao tafiditra tao an-tanàna izy ireo. Raha ny tatitry ny mpitandro filaminana dia sendra nitsirika teny am-baravarankely ny lehilahy roa no voatsenan’ny balan’ireo jiolahy ireo. Maty voatifitra vokatr’izany ny Sefo fokontany sy olona iray, tompon’omby, tao an-toerana. Nahitana taim-bala miisa 12, vokatr’izay, teny an-toerana taorian’ny fanafihana. Lasan’ireto malaso ireto avokoa ny omby rehetra tao an-tanàna. Tsy nianona tamin’izao fotsiny anefa ireo fokonolona sy zandary any an-toerana. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanarahan-dia an’ireto dahalo ireto, izay mizotra miankandrefana, araka ny vaovao voaray hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser