- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Tompon’omby maty voatifitra

Anjozorobe : Tompon’omby maty voatifitra

Olona iray no maty, ary iray hafa naratra nandritra ny fanafihan-dahalo, nitranga tao Analaria – Anjozorobe ny 15 novambra lasa teo. Andian-jiolahy maromaro mitondra basim-borona no nanafika ary nandroba omby 21. Nandeha nanaradia ny zandary sy ny fokonolona ka nifanehitra tamin’ireo mpangalatr’omby. Nandositra ireto farany ka tafaverina daholo ireo omby nangalariny . Nahitana taim-bala 7,65 mm teo amin’ny toerana nanafihan’ireo malaso. Ny zandary avy ao Ambatomanoina no manao ny fanadihadiana mahakasika ity fanafihana ity.

A.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser