Telolahy izay voalaza fa isan’ireo mpampihorohoro amin’ny resaka asan-jiolahy any amin’iny kaominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe iny no voasambotry ny zandary, ny faran’ny herinandro teo.
Ao anatin’ny « hetsika Mandio », izay tanterahin’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra « Imerina Central » tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Izany dia taorian’ny vaovao azon’izy ireo fa misy jiolahy rain-dahiny efa ela no nikarohana azy, antsoina hoe Raglady, mihaodihaody any amin’iny kaomina Ambatomanoina sy ny manodidina iny. Araka ny fantatra dia vao avy nanafika tany amin’iny faritra Sadabe iny ny ekipan’ireo olon-dratsy ireto andro vitsivitsy talohan’ny nanombohan’ilay hetsika nataon’ny zandary. Rehefa natao savahao ny manodidina ary napetraka ny paik’ady dia nisy olona telo voasambotra. Tao anatin’io ilay Raglady niaraka tamin’ny lefiny iray. Ny ampitson’io nisamborana azy io ihany koa dia nisy olon-dratsy iray namany nosamborina rehefa notondroin’ireo voasambotra fa isan’ny mpiantafika miaraka amin’izy ireo.
Fa mbola ao anatin’ity hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny zandary ity hatrany dia fantatra fa kizo maromaro ao Kianja sy Andasibe, fokontay Ambohitsoa, kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe no ravan’ny zandary. Ireto toerana ireto, araka ny voalazan’ireo mponina dia fantatra fa isan’ny toby famaharan’ireo dahalo sy fanafenana ihany koa ireo omby halatra, hodiovina alohan’ny hamarotana azy eny an-tsena. Vokany, olona dimy no voasambotra tao, izay nahitàna dahalo sy mpivarotra omby halatra. Fa ankoatr’izay, mbola nisy omby valo tsy nisy taratasy ihany koa sarona tao, niaraka tamina fanafody gasy maromaro sy bala 7,5 mm.
Nentina notazomina sy nalaina am-bavany any amin’ny borigadin’ny zandary ao Ambatomanoina avokoa moa ireto olon-dratsy voasambotra ireto, ary ireo omby kosa dia nogiazana aloha mandra-piandry ny tena tompony.
m.L