Dahalo roa, fantatra amin’ny anarana hoe Masy sy Gaseta no voasambotry ny zandary tany amin’iny faritra Anjozorobe iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Tratra niaraka tamin’izany ihany koa ny basy maherivaika iray fitondran’izy ireo manafika tanana, niaraka tamina zava-maranitra sy ody marobe. Raha ny fampitam-baovao avy an-toerana dia nisy fanafihana tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Kotovola, fokontany Ambohijavona, ao amin’ny kaomina Antanetibe Anativolo. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo tompon’andraikim-panjakana tao amin’io toerana io ny mahakasika ilay fanafihana. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny zandary. Efa nadio ny rano nitàn’ireto olon-dratsy tamin’izay fotoana izay, kanefa fantatra kosa ny làlana nalehan’izy ireo. Nanenjika avy hatrany tamin’ny môtô ireo mpitandro filaminana ka tratra tao Ambodivato, tanàna tsy lavitra ilay tanàna voatafika ireo olon-dratsy. Taraiky mbola niantrano tamina tokantrano iray tao an-toerana izy roalahy ireto no noraisim-potsiny. Nilavo lefona avy hatrany ihany koa izy ireo raha vao nahitana ireo mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary araka izany izy ireo, niaraka tamina ramatoa iray tompon’ilay trano nampiatrano azy ireo, mba hanaovana fanadihadiana. Omaly ireto olona voasambotra ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanaovana.
m.L