Vaviantitra iray, niboridana tanteraka sy nisarita-bolo no tratran’ny olona nihanika lavarangan’olona ny faran’ny herinandro teo tao Anjozorobe. Nosamborin’ny fokonolona avy hatrany ity vehivavy ity, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, izay voatondro avy hatrany ho mpamosavy. Ny andro rahateo mantsy efa alim-be tamin’io fotoana nahatratrarana azy io. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanetibe no nitrangan’izany toe-javatra hafahafa izany. Araka ny fanazavàna azo, tato ho ato izay dia nisy manakotaba foana ny olona ao amin’ity trano ity rehefa alina ny andro. Na misy mandehandeha eny an-davarangana, na misy mandondona ny varavarana. Tamin’io fotoana io dia tapa-kevitra ireto olona fa hanatratra ireo mpanelingelina. Akory anefa ny hatairan’izy ireo tamin’io alina io. Vaviantitra iray, efa mananiky ny 60 taona mahery any ho any, fotsy volo sy misaritaka. Tsy vitan’izay fa mbola miboridana tanteraka sy mihoso-menaka no hitan’ireo olona saika hihanika ny lavarangan’izy ireo. Saika hitsoaka ihany ity vaviantitra saingy mailaka ireo mpisambotra ka tsy afa-nankaiza intsony. Niely vetivety ny feo fa hoe nisy mpamosavy tratra. Tonga teny an-toerana hatramin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy nety namaly ny fanontanian’ny olona moa ity vaviantitra ity. Ny hany navaliny fotsiny dia hoe avy any amin’ny tanàna antsoina hoe Andranokotona ny tenany. Tanàna izay marihana fa am-polony kilaometatra miala amin’io tanàna nahatraratrarana azy io. Mpamosavy marina sa olona mamo ka tsy nahita ny lalan-kombany. Saika haterin’ireo fokonolona tany amin’ny mpitandro filaminana ity vaviantitra ity saingy toa hoe tsy afaka nandray ireto farany. Fantatr’ireo mponina anefa fa toa hoe misy havany tsy lavitra ilay tanàna ka dia naterina tany ity vehivavy ity.
m.L