Nikasa ny hamonjy fianakaviana ary hiara-paly amin’izy ireo ity vehivavy ity sy ny rangahy fofombadiny, kanjo loza no nihatra, raha handeha hiampita ny rano. Niara-natelin’izany rano izany izy ireo.
Nitrangana loza mahatsiravina ny faran’ny taona teo tao amin’ny kaominina Andranomisa, ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe. Araka ny fantatra dia vehivavy iray, no maty natelin’ny rano tao Atsimon’Antetezanambo, raha ny nikasa ny hihazo an’Ampasika, ao amin’ny kaomina Amboasary Avaratra. Avy any Tsarahasina Arosana, kaominina Soalazaina izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo, ary saika handeha hanao fety tany amin’io tanana etsy ambony io. Tsy maintsy miampita rano anefa izy ireo, teo amin’io toerana, saingy noho ny toetr’andro sy ny orana dia niakatra be izany rano izany sady mafy ny heriny. Tsy voatohatr’ireto mpivady ireto ary io niafara tamin’ny loza mahatsiravina io. Marihana fa avotra soa aman-tsara ilay lehilahy saingy ilay vehivavy no indrisy fa namoy ny ainy, na dia teo aza ny ezaka fanavotana nataon’ireo vatan-dehilahy narahin’ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana. Efa adim-pamantaranandro maromaro taty aoriana moa vao hita ny vatana mangatsiakany izay efa natolotra ny fianakaviany taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo. Miakatra dia miakatra ny rano amin’izao ka mila mailo ny rehetra, hoy ny fanentanana nataon’ny ben’ny tanàna tany an-toerana.
m.L