- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Vehivavy maty voatsatotsatoka antsy

Anjozorobe : Vehivavy maty voatsatotsatoka antsy

Ny faran’ny herinandro teo dia vehivavy iray 29 taona no hita faty, voatsatotsatoka antsy tao amin’ny tananan’Antanikely, fokontany iray ao Andrebakely, kaominina Ambohibary Vohilena. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay niseho tao amin’io tanana kely io, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Araka ny angom-baovao azo, dia toa hoe fifamaliana nisy teo amin’ity vehivavy ity sy lehilahy, izay manodidina ny 59 taona any ho any no nahatonga ity famonoana feno habibiana ity, noho ny disadisam-piarahamonina. Teo ihany koa anefa ireo nilaza, fa jiolahy nanafika tao aminy ity namono nahafaty azy ity.

Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any antsy no niseho ilay vono olona, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay. Efa vatana mangatsiaka nihosin-drà sisa no hitan’ny fokonolona sy ireo mpitandro filaminana. Tsatok’antsy maromaro no niletra teny amin’iny vatany : teo amin’ny kibony, teny amin’iny tanany ary tamin’ny tongony havanana. Vao avy nahavita ny asa ratsiny kosa ilay nahavano-doza dia nitsoaka ary mbola hifampitadiavana hatramin’izao. Efa tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao an-tanàna, niaraka tamin’ny mpitsabo, nijery akaiky ny zava-nisy. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany kosa ny zandary avy ao amin’iny borigadin’Ambatomanoina, nanokatra ny fanadihadiana sy fikarohana izay tao ambadik’ity vono olona feno habibiana ity.

Mirongatra tanteraka ny  tsy fandriam-pahalemana any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Araka ny angom-baovao azo avy tany an-toerana, ankoatry ny asan-dahalo any amin’ireo faritra somary ambanivohitra, dia ny  vaky trano sy halatra môtô indray no manjaka ao amin’ny renivohitr’ity distrika ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici