Vehivavy iray manodidina ny 23 taona any ho any ho hita faty tao Ambodimanga Anjozorobe, ny herinandro teo. Maty novonoina izy io raha ny fizotry ny fanadihadiana sy ny fizahana nataon’ireo mpitsabo. Nanaitra ireo mponina tany an-toerana ny fiparitahana fofona hafahafa sy ny lalitra izay nitangorona tamina faritra, izay akaikina garazy iray teny an-toerana. Nampandrenesina haingana teo ireo zandary ary rehefa nozahana ilay faritra dia nahitàna fatin’olona izay nafenina tao anaty gony. Efa simba tanteraka ny razana, raha ny fanazavàna azo. Ireo mpitsabo tonga teny an-toerana no nahalalana fa efa ho andro maromaro ihany no nahafaty ity vehivavy ity. Tsy nisy diana ratra ny vatany, saingy kosa nisy mangana teo amin’ny tendany, izay nahafahana nihevitra avy hatrany fa nokendaina izy io. Ary rehefa maty dia nasitrika tao anaty gony ary nalevina tao anaty lavaka izay sahabo ho antsa-metatra. Nototofana fanitso efa tsy niasa intsony nony avy eo ary notsindrina kodiarana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary avy tao amin’ny borigadin’Anjozorobe. Araka ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa tovolahy iray 19 taona, izay mpiasan’ilay garazy ihany no niantefan’ny ahiahy voalohany. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany, raha ny loharanom-baovao manakaiky ireo mpitandro filaminana no nahalalàna fa vokatry ny hatezerana sy ny tendrom-po tsy mba namana teo amin’ity tovolahy ity no antony namonoany ilay vehivavy. Nisy fifamaliana mantsy teo amin’izy ireo. Tsy nahatanty ilay tovolahy ka avy hatrany dia nikasi-tanana. Ary dia niafara tamin’izao famonoana ilay vehivavy ho faty izao. Marihana fa samy mipetraka ao Anjozorobe ihany izy ireo, na ilay vehivavy hita faty na ilay tovolahy voarohirohy. Efa nomena ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fitiliana natao azy. Anio kosa no fantatra fa atolotra eny anivon’ny Fampanoavana ilay voarohirohy.
m.L