Vehivavy roa indray no lasan’ny dahalo an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ny talata lasa teo. Nitrangana fanafihan-dahalo mahatsiravina tao amin’ny fokontanin’Ambasambo, kaominina Andranomisa tamin’io fotoana io. Folo lahy ireo mpanafika, raha ny fampitam-baovao azo, izay nirongo fitaovam-piadiana. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao an-toerana ireo farany. Ambonin’ny zavatra sarobidy nalain’izy ireo dia nentin’ireo an-terisetra ihany koa ny vehivavy tao amin’io tokantrano io. Mazava ho azy fa amin’ny tranga toy itony dia fotoana vitsy aorian’ny fanafihana dia niantso an-tariby ny fianakavin’ireo vehivavy ireo malaso. Vola an-tapitrisany maro no notakian’izy ireo tamin’izany, fa rehefa nandeha ny ady varotra dia tapaka fa efatra hetsy sy roa tapitrisa ariary no homena ireo dahalo. Raha ny fantatra dia harivan’ireo fanafihana io ihany dia navotsotr’ireo olon-dratsy ireo vehivavy rehefa nisy ny fandoavam-bola.
Efa tonga hatrany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ny resaka fakàna an-keriny ataon’ireo dahalo, izay mahazo vahana any amin’iny faritra Betsiboka iny. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia mazàna any amin’ireo kaominina ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe, izay manasaraka ny faritra Analamanga sy Betsiboka no mahazo vahana ity resaka fakàna an-keriny. Azo heverina araka izany fa ireo dahalo malaza ratsy, mampikaikaika an’i Tsaratanana sy Maevatanana ihany no ao ambadik’ireo fakàna an-keriny ao Anjozorobe ireo. Nisy mihitsy araka izany ny fidinan’ny avy eo anivon’ny kaompania any an-toerana. Zandary maromaro izay tahirana manamboninahitra no midina ifotony sy manao hazalambo ary mikaroka ireo dahalo ireo any an-toerana.
m.L