Samy nosamborina izy roa ary mitovy ny heloka dia ny fivarotana zava-mahadomelina izany. Ny iray no voasambotra voalohany rehefa nahazo vaovao momba azy ny zandary tao Betatao. Izany rehetra izany dia niainga tamin’ny fisian’ny lehilahy iray izay mamon-drongony ka nanakorontana tao anaty fampisehoana izay natrehin’ny besinimaro. Rehefa nosamborina io ka nanokafana fanadihadiana dia nanondro ny fividianany ny zava-mahadomelina. Taorian’izay indray, rehefa nahazo alàlana tamin’ny fampanoavana dia niditra tamin’ny fisavàna ny tranon’ilay ramatoa izay voatondro ho mpamatsy rongony. Inona tokoa fa mbola nahitàna iray harona tao aminy. Io indray avy eo no nanondro olon-kafa izay mpiara-misehatra aminy. Vehivavy iray hafa indray no voasambotra taorian’izay ar ary mbola nahitàna 45 fonosavana efa vonona ny hamidy tao aminy. Mbola momba ity raharaha ity hatrany dia nisy tovolahy iray indray izay tsy nanam-po ny zava-nitranga ary nandalo toa ny mahazatra tao amin’ny tranon’ny mpivarotra rongony izay vao avy nosamborina. Noraisim-potsiny teo koa io ary rehefa nosavaina rahateo ny kitapony dia mbola nahitàna vonin-drongony maro izay manaporofo ny fifohany zava-mahadomelina. Ireo no fositry ny halatra sy vono olona, fanolanana, ady, ny fakàna an-keriny sy ny heloka isan-karazany, hoy ny zandary. Antony izay nahatonga azy ireo nandefa lavitra ny fanadihadiana tamin’ity tranga iray ity.
D.R