- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Voasambotra ireo roa lahy mpanofana “zazamena”

Anjozorobe : Voasambotra ireo roa lahy mpanofana “zazamena”

Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary mahakasika ilay famonoana ny naman’izy ireo tao Ambatondrazaka. Ankoatra ireo zazamena efatra maty voatifitra dia fantatra fa voasambotra tany Anjozorobe ihany koa ireo roa lahy mpanofana azy ireo. Tao anaty ala manefitra an’Antanetibe Anativolo, Ambatomihantraby Ambohibary Vohilena, ary Ambatomanoina, no voasambotra izy roa lahy ireto, rehefa natoron’ny namany izay voasambotra ny herinandro lasa teo. Izy roa lahy ireto no voalaza fa “mpampiofana ireo zazamena mahery setra, mpampihorohoro ny distrikan’Ambatondrazaka, Andaingo, Anjozorobe, Ankazobe ary mipaka hatrany Tsaratanana any”. Raha tsiahivina, taorian’ny nitrangan’ity savorovoro nahafatesana zandary ity dia voalaza fa efa nisy 18 tamin’ireo nahavanon-doza no voasambotra sy atao fanadihadiana, izay niakatra 20 amin’izy roa lahy ireto. Nisy efatra maty voatifitra ary mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra, mbola miriaria any. Nitatra lavitra mihitsy ny fikarohana ireo voalaza fa olon-dratsy, niray petsapetsa tamin’ny famonoana ilay mpitandro filaminana ary isan’ireo nampijaly sy nampadohalika mpiasam-panjakana teo am-panantanterahana ny asany. Mazava moa ny tenin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny fa tsy maintsy henjehina araka ny lalàna ireo nanao ratsy fa indrindra ireo namono olona. Ankoatra ny fikarohana, fisamborana dia lasa matetika miafara amin’ny fifandonana ny teo amin’ireo andian-jandary nasaina hampajaka ny lalàna sy ireo “zazamena”, izay karazana andrimasom-pokonolona natao handrindra ny fahalemana amin’ny asan-dahalo manjaka any an-toerana. Araka ny nambaran’ny fampitam-baovao hatrany mantsy dia angamba nivadika tamin’ny asa nampiandraiketina azy izany fikambanana izany ka lasa nivadika ho “olon-dratsy sy mpampihorohoro ny vahoaka indray”. Asa aloha …

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici