- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Zandary avy nisambotra jiolahy, niharan’ny fanafihana

Anjozorobe : Zandary avy nisambotra jiolahy, niharan’ny fanafihana

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo zandary sy ireo andian’olona nanakan-dalana azy ireo. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nanararaotra nitsoaka ilay jiolahy voasambotra. Voatery nitifitra azy ireo mpitandro filaminana ka maty tsy tra-drano ity farany.

Efa tsy misy tahotra intsony ! Sahin’ireo olon-dratsy no nanafika ity fiaran’ny zandary, izay nisy manamboninahitra avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra « Imerina Central », avy nisambotra jiolahy rain-dahiny, tompon’antoka amin’ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny.

Anjirokely, kaominina Betatao, distrika Anjozorobe, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Rehefa vita ny famotorana savaranonando natao tamin’ity jiolahy raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe Iary na i Depa ity, dia nanapa-kevitra ny hitondra azy hamonjy ny tobim-paritry ny zandary ao Anjozorobe ireo mpitandro filaminana, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Voasambotra ny omalin’io ity olon-dratsy ity, tao amin’ny kaominina Ambohimirary, rehefa nisy ny fikarohana natao azy. Tonga teo amin’io toerana voalaza io anefa dia indreo nisy andian’olona, miisa efatra, izay azo heverina fa naman’ilay voasambotra, hoy ny fampitam-baovao, miaraka amin’ny basim-borona, nanakana ny lalana nandehan’ity fiaran’ny zandary ity. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia tifitra variraraka no niantefa teny amin’ireo mpitandro filaminana. Voatery niaro tena sy namaly tifitra ihany koa araka izany ireto farany. Nanararaotra izay fotoana izay ingahy « Depa » ka nitsoaka, ny andro rahateo ihany koa moa maizina. Nandefa fampitandremana azy, ireo teny ambony fiara saingy nanao tongotra an-katoka hamonjy iretsy namany ihany ity farany. Voatery nikendry azy araka izany vavabasy ka maty tsy tra-drano ilay jiolahy. Nitsoaka toy tsy teo kosa iretsy mpanakan-dalana taorian’izay.

Marihana moa fa isan’ireo tompon’antoka sy ati-doha nikotrika ilay fakàna an-keriny farany teo, tao Amparatanjona, Anjozorobe i Depa sy ny ekipany. Ankoatr’ireo izay efa niseho lany tany amin’iny faritra iny. Zazavavikely 14 taona no lasibatra tamin’izay, izay tsy namelan’izy ireo raha tsy nahazoana vola sy niharan’ny fanolanana. Efa maromaro tamin’ireto mpaka an-keriny ireto no voasambotra sy nampidirina am-ponja. Raha maty voatifitra kosa ny iray tetsy Farazato, Anjozorobe, tapa-bolana lasa izay. Mbola misy olona hafa, izay isan’ireo ao anatin’ny tambazotran-jiolahy mpaka an-keriny sy mpanafika moa karohina hatreto, raha ny voalaza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici