Handeha hanao ny asany, hampandry fahalemana ny sasakalin’ny krismasy, tany amin’iny kaominina Ambohibary, distrika Anjozorobe iny, mihitsy ireto zandary telo lahy ireto no nandrasan’ireo andian-dahalo kendry tohana. Tifitra variraraka avy hatrany no niantefa tamin’ireto mahery fo ireto. Vokany, lavo tamin’izany ny zandary kilasy faharoa, izay miasa ao amin’ny zana-tobi-paritra Antanetibe Anativolo. Naratra mafy kosa ireo namany roalahy, izay samy manana galona kilasy voalohany avokoa ary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina.
Ny talata atoandro teo, tokony ho tany amin’ny mitataovonona tany ho any nitranga ity fanafihan-dahalo ity tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambohimandry, fokontany Miarikofeno, kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena. Marihana mantsy, araka ny baiko azo avy amin’ny Fanjakana, ho fampandriana fahalemana sy ahafahan’ny olona mifety am-pilaminana dia tsy maintsy manao fisafoana sy fiambenana ireo toerana rehetra be olona, indrindra fa ny toeram-pivavahana ireo mpitandro filaminana. Tao anatin’izay fanarahana izay baiko izay indrindra, raha handeha hanao fisafoana ireto zandary telolahy ireto no nifanehatra tamina andian’olona maromaro izay avy hatrany dia nibahana ny lalana. Tsy nisy alaharo alaharo fa raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ireo andian’olona avy hatrany dia namoaka basy ary nitifitra tsy am-pihambahambana ireto zandary. Sendra ny tampoka ireto farany ka tsy afa-nanohitra akory. Maty tsy tra-drano teo ny iray tamin’izy ireo, raha naratra mafy ny roa. Vao nahita azy ireo lavo ireo mpitifitra dia samy niparitaka, nitsoaka toy ny tsy teo. Ny fokonolona teo amin’ny manodidina no nanatona ary namonjy sy nitondra ireo naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana tao Amboniakondro. Taorian’izay moa no fantatra fa nalefa niakatra avy hatrany izy ireo ary nentina notsaboina etsy amin’ny hôpitaly miaramila Soavinandriana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany nikaroka ireto mpamono zandary ireto ny mpitandro filaminana any an-toerana, nampian’ireo hafa nalefa avy aty an-drenivohitra.
m.L