- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Zandary voarohirohy tamina resaka fanolànana : natao eo ambany fanarahamason’ny...

Anjozorobe : Zandary voarohirohy tamina resaka fanolànana : natao eo ambany fanarahamason’ny fitsaràna

Ny alakamisy teo no natolotra ny Fampanoavana ilay zandary iray miasa eo anivon’ny tobim-paritra Amboasary, distrikan’Anjozorobe, izay voarohirohy tamina resaka fandrahonana sy fanolanana. Araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana dia natao eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsaràna aloha ity mpitandro filaminana ity mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Ny zava-nisy : tovovavy iray any amin’iny kaominina Amboasary, distrikan’Anjozorobe iny no  voalaza fa niharan’ny fandrahonana sy ny fanolanana avy tamina zandary iray miasa any an-toerana, tokony ho iray volana lasa izay. Araka ny fanazavàna azo dia nanantanteraka iraka fanamarinana vaovao tany an-toerana ity farany. Tamin’izay ihany koa anefa no « nisy fitoriana nataon’ny ray aman-drenin’ilay tovovavy fa nisy fidirana an-keriny tao an-tranon’ny zanany, izay narahana fandrahonana ary fanolanana ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary nisy ny taratasy nomena nahafahana manenjika sy manao famotorana ilay mpitandro filaminana. Nanomboka teo araka ny ny fanadihadiana mahakasika ilay tranga. Nisy ny famotorana natao tamin’ity zandary ity tany amin’ny birao ary dia io niafara tamin’ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana io afak’omaly. Fanarahamaso ara-pitsaràna : izay midika hoe tsy voatana any am-ponja izy saingy kosa arahimaso akaiky ary tsy maintsy manaja ireo fepetra izay voafaritry ny lalàna sy izay hapetraky ny mpitsara : anisany ny fanaovana « pointage » eny amin’ireo manam-pahefana, ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra voafetra, ny tsy fahazoana mandeha ny amina toerana iray, ny tsy fahazoana mifandray amina olona sasantsany,  ny tsy fahazoana mitondra fitaovam-piadiana, ny tsy fahazoana manao ny asany andavanandro, sns.

Marihana fa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia efa miezaka tanteraka amin’ny fanadiovana ireo olona izay manetry ny hajan’ity vondron-kery iray ity ary tsy mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy, na iza io na iza, araka ny fitenin’Atoa Jeneraly Sekreteram-panjakana misahana ny zandary ombieny ombieny. Araka izany, « manentana hatrany fa raha misy ny fandikan-dalàna ataon’ny zandary, dia aza misalasala mampandre ny lehibeny na ny rafitra eo anivon’ny Zandarimaria, anisan’izany ny « Doléances gendarmerie » eto amin’ity tambanjotra-tserasera ity miaraka amin’ny porofo, na miantso mivantana ny laharana 0341200525 na 03414001388 »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici