Raim-pianakaviana iray izay nandeha namonjy fiasàna vao maraina no niharan’ny herisetra nitarika fahafatesana omaly. Nandeha bisikileta toy ny isan’andro izy niala tao an-tranony ary namonjy ny toeram-piasàna. Izy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny olona ary efa tsy nisy aina intsony. Tsy teo intsony ny bisikileta ary tsy hita intsony koa ny kitapo kely fasiany fitaovana isa-maraina. Mety midika izany fa nisy fanendahana tao ambadik’ity vonoan’olona ity. Nanomboka omaly ny fiandrasam-paty ary nilaza ny hametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty, momba ity raharaha ity. Raha araka ny fanampim-baovao dia misy làlana manivaka izay misy lalam-by ny fandehanany isan’andro ary tamin’iny no nitrangan’ny heloka bevava vao maraina omaly. Mbola miady aman’aina hatrany ny olona amin’ny fandriam-pahalemana na dia eo aza ny jiolahy lavo izay saika misy isan’andro tato ho ato. Na izany aza mila miparitaka hatrany ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily izay tena mahomby ny vokany. Betsaka izay efa voajonon’izy ireo izay.
D.R
Commenter :ekena fa we manao ny ezaka mafy ny mpitandro ny filaminana fa raha mbola maro no tsy an’asa d mirongatra foana io,misy ny lafo fa misy kou ny vaovao,raha mbola tsy mitodika @politikany famoronana asa ny fanjakana,mbola ho mafy ny asany mpitandro filaminana,asa tsy misy d lasa manaonao foana ny olona,na tsy misy vola ary d zay hita no alainy any aminao,mba mila jerena ny mikasika ny famoronana asa.