Tranombarotra maromaro indray no notetezin’ny jiolahy mitam-basy ny alarobia alina lasa teo, tetsy Ankadifotsy. Vola mitentina telo hetsy ariary no azon’ireo olon-dratsy. Rangahy tompona tsena iray kosa no naratra mafy, nodarohan’ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no nitranga ity fanafihana ity. Nirefodrefotra ny basy teny Ankadifotsy, lalana mihazo an’Ambodivona iny. Raha ny filazan’ireo mponina dia niisa efatra ny olon-dratsy, nitondra basy lava. Mbola nisokatra avokoa ireo tsena ireo tamin’io fotoana io ary tsy nisalasala ry zalahy niditra amboletra sy nanambana basy ny tompon’ny tsena. Nahazoan’izy ireo vola avokoa sy entana maromaro avokoa ireo fivarotana ireo. Taorian’izay dia niditra tao amina trano fisotroana iray teny an-toerana izy ireo. Raha ny filazan’ireo mponina ihany dia toa somary nanohitra ilay tompon-tsena ka tsy nisalasala ry zalahy ireto nidaroka azy. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy raha ny vaovao voaray. Tao amin’ity « bar » ity ry zalahy no nahazo vola maromaro, raha ny fantatra hatrany. Nitsoaka tany anaty elakelan-trano teny amin’iny faritra iny ihany ry zalahy ireto, nony vitany ny asa ratsiny. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny pôlisy, nanao savahao ny manodidina, saingy efa nanjavona ireo olon-dratsy.
Fa nitrangana fanafihana toa izany ihany teny Vohiparara, tany amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, ny talata alina lasa teo, tamin’ny ora nitovy, tany ho any amin’ny fito ora hariva tany ho any-. Tamin’ity teny Andoharanofotsiny ity, jiolahy fito nirongo basy lava no nandravarava tranombarotra niisa efatra. Vokany vola nahatratra teo amin’ny iray tapitrisa mahery niampy entam-barotra isan-karazany no lasan-dry zalahy. Misokatra araka izany ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L