Ny voalohany tetsy Ankadifotsy, tsy mifanalavitra loatra ny mpivarotra kodiarana efa tonta. Lehilahy feno mangana sady misy dian-javatra maranitra, antsy raha ny fijerin’ny olona azy, no nisy nahita. Raha ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana, dia ny ain’io olona io mihitsy no nofofoina. Heverin’ny olona fa nisy fifanandrinana nitranga, raha araka ny fanazavana azo hatrany, ary niteraka io fahafatesana io. Nisy rahateo ny olona iray izay torana tsy nahatsiaro tena tao anatin’izany raharaha izany. Loharanom-baovao hafa indray no nanazava, fa saika haka ny môtô nentin’io lehilahy io ny olon-dratsy telo. Heverina ho nisy ny fifanandrinana izay nitarika izao vono olona izao. Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa, tsy mbola nahazo tatitra mahakasika ny fisian’io vono olona io. Ny faharoa indray dia manodidina ny tamin’ny dimy ora maraina no nitranga. Lehilahy iray no nisy nanindrona antsy teo Behoririka, raha saika ho any Ankadifotsy. Io koa dia mbola ny jiolahy hatrany no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. Miasa amin’ny fivarotana ambongadiny izy io ary izy no nasain’ny mpampiasa azy naka vola teny amin’ny banky, heverina ho ireny GAB ireny, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Niezaka ny nanavotra azy ny olona ary nanakana fiarakaretsaka mba hitondrana azy teny amin’ny Hjra. Natao ny fialana nenina, saingy tsy tàna intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana, 40 taona, noho ny ratra be vokatry ny tsindrona antsy. Mahakasika ireo raharaha ireo dia nohazavain’ny teo anivon’ny pôlisy misahana an’iny boriborin-tany iny fa efa misy olona iray tazomina eo anivon’izy ireo ary nanokafana fanadihadiana. Olona roa matin’ny jiolahy, eo anivon’ny kartie mifanakaiky ary mifanelanelana ora vitsivitsy ny fitrangan’ireo heloka bevava : nihorohoro ny olona teny an-toerana. Sady atahorana izany ny mandeha alina no mbola misy mpamono olona ihany koa vao maraina.
D.R
Ankadifotsy-Behoririka : Olona roa maty nisy namono
Articles qui pourraient vous intéresser