- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Jiolahy enina nandravarava

Ankadifotsy : Jiolahy enina nandravarava

Ny alin’ny alakamisy voalahan’ny volana septambra, nisy andian-jiolahy nandroba teny amin’ny faritra Ankadifotsy. Araka ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana izay samy nahamarika ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo, saika handroba tamina toerana iray ry zalahy. Henon’ny tompon’ny trano anefa izany ka nisy ny sahy nifanandrina tamin’ireo bandy ireo. Tsy sahy nijanona ireo jiolahy, araka ny vaovoa hatrany fa lasa niala ilay toerana. Rehefa tsy nahazo to anefa izy ireo dia fiara teny amoron-dalana indray no norobainy. Fantatra ary fa lasany tamin’izany ireo kojokoa maro toy ny radio, ny batery ary ny zavatra hafa. Raha ny fahitan’ny rehetra azy dia misy ny milaza fa toa miverina indray ny « bande des six » izy nampitondra faisana iny Ankadifotsy iray manontolo iny manomboka aty Befelatanana, Ambodivona ary Ankaditapaka. Mahery fiavy izy ireo, araka ny loharanom-baovao fantatra. Volana vitsy lasa izay, nihorohoro avokoa izay trano sy fivarotana nandalovan’izy ireo. Tsy nangalatra fotsiny ireto andian’olona ireto fa nandratra ihany koa indrindra ireo izay miseho ho sahy nanohitra azy. Efa mahafantatra ity fandehan-javatra niseho ny alin’ny alakamisy ity ny mpitandro filaminana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici