Na ireo mpandeka aza amin’izao fotoana izao dia efa mitana basy, entina handrobana izay sendra azy. Teknika fanaon’izy ireo ihany koa tato ho ato, izay avy hatrany dia mitolona ny olona hendahina ary sahy mibata izany olona izany, hihazo toerana mangingina. Toa izay nitranga tetsy Ankadifotsy ny marainan’ny talata teo. Araka ny fantatra dia lehilahy avy any amin’iny faritra Atsinana iny, namonjy ny toeram-pitobiany eny amin’iny faritra iny no sendra bandy telolahy, nitondra basy. Efa somary mazava ihany ny andro tamin’ny 5ora maraina izany ka tsy nisalasala izy nivimbina ny sakaosiny .Tamin’izay no nifandrinany tamin’ireo olon-dratsy ireto. Avy hatrany dia notolomina sy nobatain’ireo olon-dratsy ity lehilahy ity. Tsy nanaiky izay fitolomanana tsy nampoizana izany anefa ilay rangahy voatabata, fa nanohitra ireto telo lahy nitondra azy. Resiny tokoa izy ireo ary tafaporitsaka tamin’ireto jiolahy nanafika azy ihany ity lehilahy ity. Teo am-pandosirana anefa no nirefotra tampoka ny basy. Lavo avy hatrany tamin’ny tany ilay lehilahy. Nijininika ny rà. Bala iray no nandoaka ny tratrany ka tsy nahafahany nihetsika intsony. Vantany vao voatifitra io lehilahy io dia nitsoaka niaraka tamin’ny sakaosy ireo jiolahy ireo, namela azy irery teo. Ankevitry ny noheverin’ireo olon-dratsy fa volabe angamba no tao anatin’ilay sakaosy nentin’ity olona ity ka na dia nanapoahana basy sy namonoana ilay olona aza, tsy nahoan-dry zalahy. Olona sendra nandalo no nitondra haingana ity lehilahy voatafika ity tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy misy ahiana kosa ny amin’ny ainy. Efa nampahafantarina ny mpitandro filaminana izao tranga izao ary efa mandeha ny fanadihadiana.
m.L