Ramatoa iray handeha hamonjy taksibrosy tetsy Ambodivona, ka naka fiarakaretsaka tetsy Ankadifotsy no niharan’ity herisetra tamin’ny andro antoandro ity. Nisy niditra avy hatrany tao anatin’ny taxi izay nitondra azy raha vao tafiditra kelikely ny tenany. Nambanana basy avy hatrany ny mpamily ary tsy navela hitodika mihitsy mandra-pahavitan’ilay asaratsy. Tsy naharitra ela akory izany dia vita, satria tsy afa-nanohitra ilay ramatoa natao lasibatra. Lasa ny vola 3.400.000 ariary, raha araka ny vaovao azonay. Tsy hita izay nanjavonan’ny jiolahy izay nivoaka moramora tao anatin’ny taxi ary naka sisiny, toa ny tsy avy nanao heloka bevava ireny. Tsy nisy nahatsikaritra inona na inona tao anatin’izany, satria toa ny mpandeha taxi rehetra ihany ireo jiolahy. Nisokatra ny fanadihadiana ary miankina betsaka amin’ny fahatadidian’ilay ramatoa ny endrik’izy ireo no mety hanamora an’izany.
D.R