- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Mpitondra moto nidaroka mpamily, niharan’ny hatezeran’ny olona

Ankadifotsy : Mpitondra moto nidaroka mpamily, niharan’ny hatezeran’ny olona

Daroka sy vono no nahazo ilay lehilahy nitondra moto nidaroka mpamily iray teo Ambatomitsangana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tokony ho tamin’ny valo ora alina, ny harivan’ny zoma  teo, lehilahy iray nitondra moto no nodomina fiara R11  avy ao aoriana. Nianjera nitrotrongy ilay lehilahy ary nisy fahapotehany ny moto nentiny. Nentim-po loatra ranamana ka nony tafarina, avy hatrany dia namoha ny varavaran’ilay fiara nandona, tsy nisy alaharo fa totohondry nisesisesy avy hatrany no nasetriny ilay mpamily, ranamana rahateo somary bebe vatana ihany. Tezitra ny manodidina raha nahatsikaritra ny fihetsik’ilay nitondra moto, ny andro rahateo zoma ka maro ireo mivoaboaka hariva. Raikitra ny fifanazavana, nisy tamin’ireo nanatri-maso moa no avy hatrany  dia namaly daroka, raikitra ny sakoroka, soa fa nisy ny nandamina fa raha tsy izay dia niharan’ny fitsaram-bahoka ilay nitondra moto. Tsy nisy fifanarahana intsony avy eo fa niala maina ilay lehilahy voadonan’ny fiara, ny moto simba ny tena voadaroka vokatry ny fihetsika kely tsy voahevitra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser