- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Nahazo Poste de Police

Ankadifotsy : Nahazo Poste de Police

COMMISSARIAT1Omaly maraina no notokanana ny « Poste de Police de Proximité » eny amin’ny fokontany Ankadifotsy-Antanifotsy, ao anatin’ny Boriborintany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra, izay eo ambany fiahian’ny « Commissariat de Police » ao Antaninandro. Tonga nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Contrôleur Général de Police Rakotondrazaka Arsène, notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Vonona ny polisim-pirenena, hoy ny minisitra, hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fokontany amin’ny alalalan’ireo andrimasom-pokonolona. Nambarany fa tonga dia am-perinasa ity Poste de Police ity ka nanafatrafatra ireo polisy hiasa ao izy mba ho mendrika eo am-panatanterahana ny asa.

Taorian’ity fitokanana ity dia nijery akaiky ny Poste de Police de Proximité eny Manjakaray, izay eo ambany fiahian’ny “Commissariat de police” Analamahitsy ny minisitra. Nitafa fohy tamin’ireo mpitondra ao amin’ny fokontany sy ny solontenam-pokonolona amin’ny endriky ny fiaraha-miasa tsara hapetraka eo amin’ny polisim-pirenena sy ny fokontany. Noderainy manokana ny olon-tsotra manam-piniavana nanangana ireto fotodrafitrasa roa ireto.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser