- Publicité -
lundi, mai 26, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Nambanana basy vao nijanona ny mpanendaka

Ankadifotsy : Nambanana basy vao nijanona ny mpanendaka

Tsy an-kijanona ny fanendahana eo amin’ny boriborin-tany fahatelo. Omaly indray dia tovovavy izay nandeha an-tongotra ary nampiasa finday no lasibatra. Tanora iray, mbola tovolahy manodidina ny 17 taona koa, ny mpanendaka. Teo ambonin’ny tetezan’Ankadifotsy no nisehoan’izany, tokony ho tamin’ny folo ora maraina. Rifatra nitsoaka toy ny mahazatra azy ilay olon-dratsy. Ny tsy nampoiziny anefa dia hitan’ny mpitandro ny filaminana iray izay manao fanamiana sivily izany. Io farany dia mpiambina minisitra raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Tsy zakany ny nahita ny zava-niseho ary dia nenjehany tamin’ny kodiaran-droa izay notaingenany ilay mpanendaka. Efa lasa tany amin’ny 500 metatra any ho any dia najanony ny moto ary nenjehany tamin’ny hazakazaka. Efa nampitandremana am-bava mbola nitohy nitsoaka ihany ilay mpanendaka. Namoaka basy izay vao nihorohoro ny olon-dratsy ka nijanona. Nitangorona tao anatin’ny fotoana fohy ny olona ary saika hidaroka. Nentin’ilay mpitandro ny filaminana haingana tany amin’ny polisy ilay olon-dratsy nony avy eo. Teo ihany dia efa nisy olon-kafa izay nijoro ho vavolombelona koa fa voaendaka vao maraina ary mbola tao anatin’ilay ekipa nanao izany koa ilay tovolahy. Io farany indray dia nanazava fa eo amin’ny manodidina ny Mascar, izany hoe eo Andravoahangy, no tena foiben’izy ireo. Misy maniraka ary rehefa vita ny asaratsy dia misy fanaterana ny entana izay azo. Izany hoe efa toa ny miasa amin’ny orinasa mihitsy ireo olon-dratsy ary efa misy lamina mipetraka eo amin’izy ireo. Ny tsikaritr’izay nahita dia efa feno diam-panjaitra ny tànan’ilay mpanendaka. Izany hoe efa tafiditra lalina amin’ny fidorohana zava-mahadomelina alefa amin’ny tsindrona koa izy. Mbola azo lazaina fa avokavok’Antananarivo Ankadifotsy sy ny manodidina azy. Mitady ho lasa tohivakana anefa ny asan-jiolahy eny an-toerana, eny fa na dia be olona andro aman’alina aza iny faritra iny. Ny asabotsy teo dia tsiahivina fa nisy mpambongady voatafika ary nisy olona iray izay voatifitra nandritr’izany. Mety avy amin’ny fihainoana ilay tovolahy voasambotra omaly no hahafahana mamantatra bebe kokoa ny momba ireo mpanao ratsy eo amin’ny manodidina. Miandrandra filaminana ny mponina eny an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici