- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Nirefodrefotra koa ny basy

Ankadifotsy : Nirefodrefotra koa ny basy

Ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany no henon’ny olona nirefodrefotra ny basy tetsy Ankadifotsy. “Naleonay ny hidin-trano no namafisina, satria efa mateti-pitranga loatra ny feom-basy ety amin’ny manodidina” hoy ny mponina eny an-toerana, izay sendra anay. Tsy nahafantatra ny momba ny zava-nisy ny mpitandro ny filaminana nanontanianay. Asan-jiolahy indray ve sa fifanenjehana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny jiolahy kosa? Andrasana ny mety ho fanazavana ofisialy momba ity raharaha ity. Na izany na tsy izany dia tsapa fa mihorohoro ny mponin’Ankadifotsy momba ny afitsoky ny jiolahy. Indrindra iny mizotra ho any Befelatanana-Ankadifotsy iny, izay matetika hisian’ny fanendahana. Ny olana anefa dia hatramin’ny mpanendaka aza amin’izao fotoana dia efa mitam-basy ihany koa ary tsy menatra ny mampiasa izany rehefa misy ny fanoherana ataon’ny olona. Miverina hatrany any amin’ny fiparitahan’ny basy izany ny anton’ny firoboroboan’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Mila hentitra ny fanadihadiana ary tsy menatry ny mamatotra izay toerana niavian’ireny fitaovam-piadiana ireny mba hisian’ny filaminam-bahoaka. Aiza ka hatramin’ny mpitandro ny filaminana avy no sahin’ny jiolahy torahana grenady…(jereo lahatsoratra etsy ankila)

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser