Naka vola tao amin’ny banky tao Behoririka ity ramatoa ary saika hihazo ilay tohatoha-bato izay mipoitra any Ankaditapaka, no notsenain’ny jiolahy mitam-basy. Amin’ny andro mazava, manodidina ny tamin’ny 11ora, no nitrangan’izany omaly. Tsy afa-nanoatra ilay ramatoa ary tetsy andanin’izany ihany koa dia nanapoaka basy ireo mpanendaka. Tsy taitra akory izy ireo niala teo an-toerana noho ny basy teny an-tanany. Basy, basy hatrany no tena fototry ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana.
D.R