Hasarotam-piaro diso tafahoatra no nahatonga ity raim-pianakaviana iray hanao heloka bevava, ny vadiny ihany no nampiharany an’izany. Notifiriny teo amin’ny lohany ny vadiny raha vao niditra tao an-tokantrano. Ny antony hatreto, dia tara kely noho ny mahazatra ny fodian’ilay ramatoa tao an-trano. Tsy nisy resaka firy fa basy avy hatrany no niandry azy teo am-baravarana, raha araka ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Taorian’izay, nisy angamba ny nenina, ary nampanantsoina avy hatrany ny havan’ilay ramatoa izay nitsikian’ny vintana ka mba tsy namoy ny ainy. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ary natao ny fandidiana azy, andro vitsivitsy taty aoriana. Teo dia mbola tsy niteny velively izay tena zava-nitranga izy. Toa mbola nafenina ary fa noho ny fitiavany ny vadiny. Ny zanany kely vao enintaona, rehefa nanontanian’ny fianakaviana, no nitantara fa hay rangahy no nitifitra ny mamany tamin’ny basy. Teo dia niova avokoa ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Notazomina avy hatrany rangahy ary natolotra ny fampanoavana. Raha ny vaovao azo momba ity tranga ity dia fantatra fa nalefa eny Tsiafahy izy miandry ny fitsarana azy. Ankoatra ny heloka bevava nataony mantsy, na tsy maty aza ny vadiny, dia mbola nohenjehana ihany koa izy tamin’ny fitazomana ny basy izay tsy mazava hatreto ny fahazoan-dàlana.
D.R