- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Olona avy nitsena mpianatra voatsatoka antsy

Ankadifotsy : Olona avy nitsena mpianatra voatsatoka antsy

Nisehoana asan-jiolahy, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora, teny amin’ny faritr’Ankadifotsy. Olona iray avy nitsena mpianatra no notsindronin’ny jiolahy antsy ka naratra mafy tokoa. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tamin’ny ora firavan’ny mpianatra no nisehoan’ity zavatra ity. Amin’izao fotoana izao moa, manerana ny faritra marobe ny jiolahy miara-miriaria amin’ny olon-tsotra. Voalaza fa nahazo vaovao ireo olon-dratsy ireo fa misy lehilahy iray mitondra sakaosy misy vola mandeha eny amin’iny làlana Ankadifotsy iny. Vao avy nivarotra fiara io olona io, hoy hatrany ny vaovao. Tonga teny amin’ny toerana ireo mpandendaka. Tamin’io fotoana io koa, nisy lehilahy iray nitsena mpianatra nirava. Izy no nitondra ny kitapon’ilay zaza. Niditra elanelantrano izy ary dia noheverin’ireo mpanao sinto-mahery fa ilay olona nitondra volabe. Avy hatrany, hoy ireo nahita, dia nosintonin-dry zalahy ilay kitapo satria noheverina fa any ilay vola. Toa tsy nanaiky ilay olona ka dia izao voatsindrona antsy izao, hoy hatrany ny vaovao re teny an-toerana. Maro ny olona nahita, anisan’izany ireo mpianatra vao nirava izay nihorakoraka. Ireo olon-dratsy kosa tetsy an-daniny lasa nandeha niala haingana ny toerana.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici