- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Sinoa sy gasy nifamaly, voatery niditra an-tsehatra ny polisy

Ankadifotsy : Sinoa sy gasy nifamaly, voatery niditra an-tsehatra ny polisy

Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro omaly no nitrangan’ny raharaha. Nisy teratany sinoa sy malagasy izay nifamaly teo Ankadifotsy. Nanintona ny olona izany ary ireo tsy nisy natao , vetivety dia nitangorona. Eo ihany ny liana fa eo koa ny mitady ny hanararaotra. Fantatra rahateo fa betsaka ny tontakely eny amin’iny toerana iny ary zarany aza misy toy izay nitranga, mba hanararaotana handrobana ireo olona ary koa handroba ny trano, raha toa ka mbola mitohitohy eo ny fifandroritana. Raha ny fantatra dia fifandirana noho ny entana tsy tonga araky ny fotoana nifanomezana no niteraka olana. Rehefa maro loatra ny olona teo an-toerana, dia nisy nampandre amin’izay ny polisy. Teo ary dia niditra an-tsehatra ny hery vonjy taitra sy ny polisin’ny boriborintany fahatelo. Naparitaka ireo olona ary ankoatr’izay dia nentina niala teo an-toerana faran’izay haingana ireo sinoa sy gasy nanana olana. Tany amin’ny biraon’ny polisy tao Antaninandro izy ireo no nifanazava omaly tolakandro. Nambenana ihany koa ny toerana mandra-pialan’ireo olona maro tanteraka, nahiana mantsy, arak’izay voalaza etsy ambony  sao hisy fanararaotana tampoka.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici