- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Trano nirodana nahafaty olona telo

Ankadifotsy : Trano nirodana nahafaty olona telo

Ilay trano lehibe no nirodana ka nilatsaka tany amin’ireo trano teo ambany ary nitera-doza (sary Nary R.)
Ilay trano lehibe no nirodana ka nilatsaka tany amin’ireo trano teo ambany ary nitera-doza (sary Nary R.)

Omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, tetsy Mandialaza-Ankadifotsy, no nitranga ity loza ity. Olona telo no indray namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny trano teo ankilany, teo ambonin’ny trano misy azy ireo raha araka ny fanamarihana azo. Mpianaka, renim-pianakaviana 38 taona niaraka tamin’ny zanany kely tokony ho eo amin’ny telo na efatra taona ary vehivavy iray hafa 22 taona no indray namoy aina vokatr’izany. Mbola nisy olona iray hafa ihany koa naratra. Lehilahy iray 26 taona no tapaka taolam-balahana raha araka ny vaovao azo teny an-toerana hatrany. Nifanome tànana ny fokonolona tamin’ny fisintonana ireo razana hivoaka tao amin’ilay toerana. Torak’izany ihany koa tamin’ny famonjena ny naratra. Loharanom-baovao hafa indray no nahafantarana fa nitondra vohoka ny iray tamin’ireo vehivavy isan’ny namoy ny ainy. Trano efa antitra ilay nirodana, ny rindrina roa tamin’ny dimy. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nanampy tamin’ny fisintonana ny razana sy ny fitondràna ny naratra teny amin’ny toeram-pitsaboana. Vao fanombohan’ny fotoam-pahavaratra amin’izao fotoana izao dia tsikaritra fa efa betsaka sahady ny voka-dratsy mitranga. Ankoatra ny fako sy ny loto etsy sy eroa mantsy dia efa tonga hatrany amin’ny famoizana aina sy faharatrana ny naterany. Tamin’ity herinandro ity fotsiny, ohatra, dia efa nisy ny olona roa naratra tetsy Ambohijatovo noho ny filatsahan’ny hazobe tampoka teo amin’ny arabe. Tetsy Mandrangombato koa, vehivavy roa torana tsy nahatsiaro tena ary voatery nentina teny amin’ny sampana famelomana aina vokatry ny fipoahan’ny varatra tao an-tranon’izy ireo. Mila jerena ny hazo, ny hamafin’ny rindrina ary ny fandri-baratra. Tsy ho ela intsony mantsy ny vanim-potoanan’ny andro ratsy dia ho avy. Raha izao dia efa mamono olona aty antanan-dehibe sahady ny rotsak’orana, mila mailo ny rehetra amin’ny fiarovana ny ainy…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser