Vola manodidina ny 100 tapitrisa ariary teo ho eo no efa azony. Efa maro ireo raharaha mahakasika sy mahavoarohirohy ity ramatoa iray, izay efa malaza ratsy amin’ny resaka fisolokiana, na eny anivon’ny pôlisim-pirenena izany : ao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, ny polisy ara-toekarena Anosy, ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy, … na ny eny anivon’ny zandarimariam-pirenena. Araka izany dia betsaka ireo olona lasibatr’ity ramatoa ity noho izany. Voasambotra ihany izy nony farany teny amin’iny faritra Ankadifotsy iny, raha mbola nikasa hanao ny asa ratsiny hatrany, ny herinandro lasa teo. Marihana fa efa nigadra noho io resaka fisolokiana io ny vehivavy ny taona 2010 ka sazy enim-bola an-tranomaizina sazy mihatra no didy nivoaka tamin’izany.
Ny fanaony : « milaza ho transitaire ilay vehivavy ary manana entana maromaro any amin’ny Fadin-tseranana fa mila vola amoahana izany any ». Maro dia maro toa araka izany ny tafaroboka amin’ny fisolokiana izay ataony ary manome vola azy avy hatrany. Izy rahateo, hoy ny fanazavàna azo dia mahay mandresy lahatra aok’izany ary mampanantena volabe mihitsy amin’ny tombony azo amin’ireo entana. « Marihina fa asainy alefa mvola amin’ny laharana iray izay tsy misoratra aminy ny vola izay solokiany. Rehefa azony ilay vola dia tsy azo amin’ny finday intsony ity vehivavy ity no sady tsy hita ihany koa ny toerana izay hipetrahany ». Nandray an-tanana ny raharaha ny pôlisy ary niezaka hatramin’ny farany tamin’ny fikarohana ity ramatoa mpisoloky hikoizana ity. Fantatra tamin’izany fa eny amin’iny faritra Ankadifotsy iny no nahitàna azy io. Rehefa nidina teny tokoa ireo mpitandro filaminana ka niezaka nanara-maso ny toerana voalaza dia nahatsikaritra ramatoa iray mampiahiahy, manafina endrika amin’ny saron-doha sy solomaso mainty. Natonona avy hatrany io ka rehefa natao ny fisavàna dia hita teo fa ilay ramatoa mpisoloky io. Tamin’ny fanadihadiana moa ny nahafantarana fa tsy miasa irery ramatoa fa misy terantany vahiny namany hafa any. « Teratany Karana iray izay mbola karohina fatratra amin’izao fotoana izao mpiara miasa aminy » hoy hatrany ny fampitam-baovao nomen’ny pôlisy.
m.L