- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Voaendaka ireo vazaha mpitory filazantsara

Ankadifotsy : Voaendaka ireo vazaha mpitory filazantsara

Miely ary miparitaka eto ambonin’ny tany ireto vahiny mampiely filazantsara sy mizara ny hevitry ny fiangonany. Irony mandeha tsiroaroa, manao lobaka fotsy misy ny anarany irony ary manao pataloa mainty sy kiraro mitovy loko amin’izany, no tena ahafantarana manokana azy ireo. Feno azy ny firenen-drehetra saingy teto an-drenivohitra, tetsy Ankadifotsy angamba no niharan’ny herisetra voalohany ireto vahiny miasa amin’ny fampielezana ny soratra masina ireto. Lasa ny kitapo fatao am-bozonana izay nisy ny baiboly sy ny fitaovana isan-karazany mahakasika ny asa izay heverina ho masina ataon’izy ireo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy ihany koa, mazava loatra, raha tsy lasa ny vola tany amin’izy miralahahy. Mitentina 850 dôlara izany raha araka ny fanampim-baovao azonay tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Soa mba tsy naboridan’ireo olon-dratsy izy ireto tamin’ity indray mitoraka ity. Matetika no tratra hariva ireny vahiny mpampiely filazantsara ireny satria izy ireo dia tena mandeha an-tongotra tanteraka amin’ny fivezivezena mandritra ny fanatontosana ny asany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici