- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano

Ankadikely : Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no hita faty, natsingevan’ny rano omaly teny Manjaka Ilafy. Hatairana tsy nisy toy izany ny an’ireo mponina, nahita ity tranga tsy dia fahita firy tany an-toerana ity omaly maraina. Vono olona ? Tany avy hatrany no nalehan’ny sain’ireo mponina. Mihohoka ao anaty rano ity lehilahy ity. Raha ny fahitana ny razana dia mety ho efa ny alina no nilon-drano tao. Tsy nisy sahy nikitika rahateo ireo nahita voalohany fa avy hatrany dia niantso ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny no nahafantarana fa tsy nahitana ratra teny amin’ny vatan’ity tovolahy ity. Nambaran’ireto olona teny an-toerana hatrany fa mazàna dia hitan’ny olona eny amin’iny faritra iny izy ary karazan’irony tsy manan-kialofana irony. Heverina araka izany fa na matin’ny hanoananana ity tovolahy ity na maty nianjera tao  anaty rano. Raha ny fantatra mantsy dia manana karazan’aretina toy ny andrombe ireny izy ka mety ho tao anatin’ny aretiny no latsaka tao anaty rano. Na izany na tsy izany dia efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici